<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Arovy ry Tsitoha,
 Ny Tanindrazanay,
 Vimbino avokoa
 Izay mitondra anay ;
 Ity Nosy ity tahio
 Mba handry fahizay ;
 Tantano sy ampio
 Handroso izahay.
 Ny tsara mba tohano,
 Ry Zanaharinay,
 Ny ratsy mba sakano,
 Mba hiadananay !

[V2]
 Tahio ny mpitsara
 Nampanapahinao,
 Hahay hitondra tsara
 Izao olonao izao;
 Ny lehibe rehetra
 Vangio sy hafanao,
 Mba hanam-po miantra,
 Hatahotra Anao,
 Ny tsara mba tohano, ..sns.</lyrics>
<title>Arovy, Ry Tsitoha FFPM735</title>
<hymn_number>735</hymn_number>
</song>